Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : nanamafy ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mai

0

Ankoatra ny hetsika fanamarihana ny andron’ny 13 mai teny Analakely, nanamafy ny tolona nataony ihany koa ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana. Tsy mampihemotra azy ireo sy ny vahoaka miaraka aminy amin’ny tolona ny fihetsiky ny filohampirenena ankehitriny amin’ny fizirizirana tsy hiala amin’ny toerany. Mitohy hatrany ny fitakiana ny fialan’ny filohampirenena sy ny governemanta miaraka aminy raha ny voalaza hatrany.