Solombavambahoaka hoan’ny fanovana : nilaza ny tsy nahatongavany tamin’ny fampiantsoan’ny FFKM

0

Manoloana ny fampiantsoana nataon’ny FFKM an’ireo solombavambahoaka miisa 73 hoan’ny fanovana sy ireo solombavambahoaka manohana ny fitondrana HVM, nanamafy ireo solombavambahoaka hoan’ny fanovana fa miankina amin’ny vahoaka no anapahan’izy ireo hevitra. Tsy mifanaraka amin’ny fitakiana nataon’izy ireo ihany koa ny fiantsoana raha ny voalaza.