Solombavambahoaka : nahitsy ny fomba fiteny teo anatrehan’ny Governemanta

0

Misy amin’ireo governoram-paritra no nahazo fanakianana mavaivay avy amin’ny Solombavambahoaka androany nandritra ny andro faharoa teo amin’ny fifanatrehan’izy ireo sy ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta. Ankoatra io, nitohy ihany koa ny fitakiana ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena nefa tsy mbola tanteraka hatramin’izao.