Accueil Economie <strong>SOS Vanille : tokony hametra-pialana ny Minisitry ny varotra fa mandika lalàna</strong>

SOS Vanille : tokony hametra-pialana ny Minisitry ny varotra fa mandika lalàna

0
<strong>SOS Vanille : tokony hametra-pialana ny Minisitry ny varotra fa mandika lalàna</strong>

Mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny varotra sy ny indostria, RAZAFINDRAVAHA Edgard ireo mpisehatra eo amin’ny lavanila ao amin’ny faritra SAVA, mivondrona ao anatin’ny SOS Vanille araka ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Noho ny fandikan-dalàna sy ny tsy fahafehezana ny asa no isany antony fitakiana hoy izy ireo. Ny SOS Vanille izay nanome fe-potoana 72 ora ny fanjakana hamahana ny olan’ny lavanila ary mandeha ny fanangogan-tsonia ireo mpiantsehatra rehetra amin’izao fotoana.