Tafika Malagasy : handraisana fepetra ireo rehetra manao fihoaram-pefy

0

Handraisana fepetra avokoa ireo miaramila manao fioharam-pefy hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena raha nanotaniana mahakasina ny tranga famonoana zandrary nataon’ny miaramila avy tao amin’ny Bataillon D’Appui Feu. Efa voatazona ao amin’ny Zandarimaria ao Imeritsiatosika hatao fanadihadiana ny 2 ary karohina kosa hatreto ireo 2 ambiny. Tsy maintsy asiana ny mason-tsivana ny fampidirana miaramila hoy ny ministra tompon’andrikitra.