Accueil Société Tamberimbidy avy amin’ny fitrandrahana : manana ny anjarany ireo vahoaka eny ifotony

Tamberimbidy avy amin’ny fitrandrahana : manana ny anjarany ireo vahoaka eny ifotony

0
Tamberimbidy avy amin’ny fitrandrahana : manana ny anjarany ireo vahoaka eny ifotony

Manana anjara lehibe amin’ny tamberimbidy ny vahoaka amin’ireo kaominina hisian’ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara hoy ny firaisamonim-pirenena. Mihantraika mivantana amin’ny fiainana andavan’andron’ireo mponina voakasiky ny tetikasa ny fitrandrahana ka antony tokony hanomezana ara-drariny ny tamberimbidy ho azy ireo, ho fampivoarana sy hanatsarana ny fiainana eny ifotony.