Tany 80ha : tsy amidy amin’ny vahiny

0

Tsy marina ny filazana fa mivarotra tany amin’ny firenena Morisiana ny fitondram-panjakana araka ny fanazavana nentin’ny mpitondra tenin’ny governemanta androany. Tafiditra anatin’ny politikam-panjakana avokoa ny fifanarahana atao rehetra any Maurice, nandritry ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika any an-toerana, ary entina hampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara izany raha ny fanazavana.