Taom-pitsarana 2021 : nosantarina tamin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika

0

Fotoam-pitsarana manetriketrika no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2021 ary nanaovana ihany koa ny tatitra ho an’ny taona 2020 teny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy androany. Raha ny nambaran’ny « Procureur général » eo anivon’ny fitsarana an-tampony, miisa 160 ireo antotan-taratasy mahakasika ny fifidianana Kaominaly ny taona 2019 lasa teo, eo anivon’ny conseil d’Etat.