Tatatra sy lakan-drano eto Antananarivo : noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fanadiovana izany

0

Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tatatra sy lakan-drano izay tokony ho anjaran’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Tanjona ny fanatsarana ny renivohitra ary koa ny fisorohana mialoha ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ny fotoam-pahavaratra.