Tetibolam-panjakana 2022 : lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona

0

Lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona tetsy Anosikely ny tolakandro teo ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-pnjakana ho an’ny taona 2022. Nisy ny teboka maromaro nasian’ireo Loholona fanitsiana mahakasika ity tetibola ity ho tombontsoan’ny vahoaka. Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny poliikan’ny fanjakana izao tetibola izao hoy ireo loholon’i Madagasikara.