Tetikasa AVOTSE : sekoly vaovao miisa 06 no hajoro any Atsimon’ny Nosy

0

Sekoly vaovao miisa 06, tafiditra ao anatin’ny tetikasa AVOTSE no hajoro ao Atsimon’ny Nosy hahafahana manampy ireo zaza Malagasy. Hifarimbona sy hanolo-tanana ny Association Fitia amin’izany ny Fondation VISEO, ny OIT sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny fanabeazana izay manan-danja ary fanoitra voalohany ho an’ny fampandrosoana hoy i Ramatoa Mialy RAJOELINA, filohan’ny fikambanana FITIA.