TOAMASINA : hitokona tsy hiasa ireo mpitondra Tuctuc manomboka rahampitso

0

Hitokona tsy hiasa ireo TucTuc rehetra ao Toamasina manomboka rahampitso hoy ny mpitarika ny Fikambanana FTUCMT (Fikambanan’ny TUCTUC Miray Toamasina) tahorian’ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana androany maraina teo amin’ny lalana mivoaka an’ny Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faha-5, ireo mpitondra TucTuc izay nikasa hitondra ireo fianakaviany hitsangatsangana.