Toamasina : nanao diabe sy niakanjo mainty ireo mpianatry ny Oniversite androany

0

Diabe namakivaky ny tanàna ho fanomezam-boninahitra ny naman’izy ireo izay lavo nandritra ny hetsika ny 18 Febroary lasa teo no nasetrin’ireo mpianatra avy eo anivon’ny Barikadimy Toamasina androany, fitafy mainty no nandravaka ireo mpianatra nandritra izany. Ankoatra io, nitaky ny marina mahakasika ilay mpitandro filaminana nitifitra ihany ko izy ireo.