Toamasina : nihena ny isan’ireo olona voan’ny Coronavirus

0

Miha-vitsy ny isan’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus any Toamasina amin’izao fotoana izao raha oharina tamin’ny volana Mai sy ny fiandohan’ny volana Jona raha ny tarehimarika ofisialy avy eo anivon’ny CCO Covid-19. Na eo aza izany ilaina hatrany ny fanamafisana ny fiarovan-tena indrindra fa ny fanarahana ny toromarika rehetra raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra.