Saran-dalana tokana ny an’ireo kaoperativa rehetra miasa ao amin’ny toby fiantsonana maki manomboka izao. Androany, nisy ny fanoloran’ireo mpiara-miombon’antoka ny fitaovana rehetra hanatanterahana ny Caisse Unique. Haparitaka manerana ny nosy ity fomba fiasa ity hoy ny tompoandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana.