Toekarena Nomerika : hiara-hiasa ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy

0

Hiara-hiasa ankehitriny ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy ho an’ny fampiroboroboana sy ny fampivelarana ny toekarena nomerika eto Madagasikara raha ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena SEAMLESS MIDDLE EAST 2022 notanterahina tany Dubai androany. Isan’ny tanjona kendrena amin’izany ny hametrahana ny tanàna vaovao Tanamasoandro ho « smart city » manana fotodrafitrasa nomerika avo lenta hoy ny filoha.