Toekarena Nomerika : vonona hanampy an’i Madagasikara ny federasionina Arabo

0

Naneho ny fahavononany hanampy sy hizara ny traikefa amin’ny Madagasikara eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra ny federasionina Arabo ho an’ny toek’arena nomerika raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena Malagasy omaly. Ny filoha Andry RAJOELINA izay manatanteraka ny fitsidihina ara-pomba ofisialy any Dubaï, Émirats Arabes Unis ankehitriny miaraka amin’ireo delegasionina Malagasy hanatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena arahina fampiratiana ireo haitao ara-kajy mirindra mifandraika amin’ny toekarena nomerika .