Tolona ho an’ny fanovàna : efa maro ny fandresena azo, mitohy hatrany ny tolona

0

Tsy misy fifanarahana politika ho atao intsony. Tsy hamaly ny mety ho fanasana ny amin’izany ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovàna, hoy solombavambahaokan’i Madagasikara voafidy tao Manandriana. Tsy mijanona ny tolona raha tsy miala ny filohampirenena na maro aza ny fandresena efa azon’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovàna.