Tranon’ny FJKM eny Faravohitra lasan’ny Ravalomanana Marc : mifanilika ny tomponandraikitry ny FJKM

0

Mifanilika andraikitra ny eo anivon’ny foibe FJKM momba ilay tranon’ny FJKM ampiasain’ny MBS eny Faravohitra. Namidin’ny FJKM tamin’ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc tamin’ny taona 2008 ity trano ity. Inona no takalony ? Tsy nisy afaka nanome fanazavana momba ny takalony ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FJKM nanaovana fanadihadiana tamin’ity androany ity.