Accueil Société Tranopirintim-pirenena : tsy maharaka ny fanamboarana bokin’omby

Tranopirintim-pirenena : tsy maharaka ny fanamboarana bokin’omby

0
Tranopirintim-pirenena : tsy maharaka ny fanamboarana bokin’omby

Velon-taraina manoloana ny fomba fiasan’ny Tranopiritim-pirenena amin’ny fanontana ny bokin’omby ireo Ben’ny tanàna indrindra fa ireo avy any amin’ny faritra. Tsy maharaka ny filàna misy ny vokatra azo avy eo anivon’ity ivon-toerana mpamokatra ny bokin’omby ity. Tsy misy afa-tsy 50 isan’andro ihany no afaka omen’izy ireo ny ben’ny tanana iray raha toa ka manodidina ny 2 000 isa no ilain’ny ben’ny tanàna iray mba hamaliana ny filan’ny vahoaka eny ifotony.