Tsaratanàna : takalon’aina iray votsotra, dahalo iray voasambotra

0

Takalon’aina iray no votsotra tany Tsaratanàna taorian’ny fifandonan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpaka ankeriny tao anaty ala. Dahalo iray ihany koa no voasambotra. Izay no mikasika ny trangana fakana ankeriny ny zoma teo tao atsimon’i Tsaratanàna. Tsy mbola nahenoam-baovao kosa ny tao Tsaratanàna II nitranga iray andro talohan’io.