Tsena Andravoahangy : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny kaominina sy ireo mpivarotra

0

Mihenjan- droa ny tady eo amin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra eny amin’ny tsena Andravoahangy. Androany, nifandrimbonan’ ireo mpivarotra ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina izay tonga saika hanala ireo mpivarotra mba hitohizan’ny asa fanorenena atao ao anatin’ io tsena io izay adikan’ ireo mpivarotra ho fanaparam- pahefana.