Tsy fanajana ny zon’olombelona : manodidina ny 100 ireo fitarainana voarain’ny CNIDH

0

Manodidina ny 100 ankehitriny ny fitarainana voarain’ny eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena  misahana ny zon’olombeolna na ny CNIDH mikasika noho ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Ny trangana herisetra sy ny tontolon’ny asa no anisan’ny nahazoana fitaraina betsaka indrindra amin’izany raha ny fanazavana. Tontosa androany tetsy Analakely ny hetsika fampiratiana, tafiditra anatin’ny fankalazana ny herinandro ho an’ny zon’olombelona.