Tsy fandriampahalemana : Tsy hita eny amin’ny vahoaka ny asan’ny mpitandro filaminana

0

Hita taratra hatrany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara noho ny fitotonganan’ny toekarena sy ny fitombon’ny fahatrana. Trangana fakana ankeriny roa no nisy ny herinandro lasa teo. Tsy hita ny fiarovana ny vahoaka ataon’ireo mpitandro filaminana. Ny mpitondra sy ny manodidina azy hatrany no tsara ambina.