Accueil Société Tsy fanjarian-tsakafo : hamehana maneran-tany tsy maintsy handraisana andraikitra

Tsy fanjarian-tsakafo : hamehana maneran-tany tsy maintsy handraisana andraikitra

0
Tsy fanjarian-tsakafo : hamehana maneran-tany tsy maintsy handraisana andraikitra

Tanterahina ao Tokyo renivohitr’i Japon, nanomboka omaly ary mifarana androany ny Fihaonana an-tampony momba ny Sakafo ho an’ny fitomboana na «  Sommet de la Nutrition pour la Croissance ». Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa manoloana ny ady atao amin’ny tsy fanjarain-tsakafo vokatry ny KERE any Atsimon’ny Nosy no isan’ny hiadiana mafy, hoy ny Filohan’ny Repoblika nandritry ny fandraisam-pitenenana nataony. I Madagasikara izay isan’ireo firenena manana taha ambony na eo aza ireo ezaka natao hatrizay.