Vaksiny Covid-19 : nahazo ny anjarany ihany koa ny Faritra SAVA

0

Vita ny fanaovam-baksiny ireo olona tokony hisitraka izany amin’izao andiany voalohany izao tao amin’ny Faritra Sava. Mihena ihany koa ny tranga vaovao ary tsy misy afa-tsy 10 sisa no manaraka fitsaboana araka ny tatitra navoakan’ny CRCO. Na eo aza izany, tapaka fa hamafisina ny fanaraha-maso amin’ireo vavahady fidirana amin’ny faritra.