Vary mora : natomboka androany ny fizarana tao Toamasina.

0

Natomboka androany ny fizarana ny vary mora tao Toamasina araka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Miisa 22 ny Point de vente nahafahan’ny mponina nividy izany tamin’ny 1000 Ariary ny kilao. Nanamafy hatrany ny solotenan’ny governemanta tonga tany an-toerana fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ireo mikasa hanodina izany.