Vato nihotsaka : olona 4 namoy ny ainy, 8 hafa naratra mafy

0

Olona 4 no namoy ny ainy ary 8 hafa naratra mafy vokatry ny fihotsahan’ny tany teny Ambaninampamarinana ny maraina teo. Tonga nijery sy namangy ireo traboina ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy maintsy ho raisina ny fepetra ary hafindra avokoa ireo mponina amin’ireo faritra tandindomin-doza rehetra tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony.