VATOVAVY SY FITOVINANY : hamidy ny ankizy noho ny tsy fananana

0

Amidy eny an-tsena tahaka ny entana ireo ankizy latsaky ny 5 taona any amin’ny distrikan’i Ikongo,
ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany amin’izao fotoana. Fahantrana lalina iainan’ny mponina
no antony hamarotana ireo ankizy raha ny fanazavana. Tsy misy tombam-bidy, rehefa mahazo vola
ny ray aman-dreny, afaka mampisakafo ilay ankizy ny mpividy, vita ny fifampivarotana.