Vavatenina : hatahorana ny halatra lavanila any an-tsaha mandrapisokatry ny taom-piotazana ny 15 jolay

0

Raha toa ka ny 15 jolay izao no fotoana hisokafan’ny tao-piotazana lavanila, dia tara io daty fiotazana io raha ny fanazavan’ireo tantsaha. Ampahany betsaka amin’ireo vokatra eny an-tsahano efa matoy saingy tsy azo hotazana. Mihamafy vokatr’io ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranan’izy ireo miandry ny vokatra any an-tsaha mandrapahatongan’io fepotoana io.