Vodiondry : fanomezam-boninahitra an’ireo Ray aman-dreny niteraka ny tovovavy

0

Fanomezan-kaja sy fanomezam-boninahitra an’ireo Ray aman-dreny niteraka ny tovovavy amin’ny ankapobeny ny Vodiondry. Mbola misy ireo mitazona ny fomba fahiny amin’ity fampiakaram-bady nataon’ny Ntaolo ity. Maro ihany koa anefa no tsy mahafantatra ny tokony hataony raha hiroso amin’izany. Ndeha harahintsika ato anatin’ity fanadihadiana ity ny fampahafantarana tsotsotra momba izany.