Voka-panadinana – Antananarivo Renivohitra : 36,93%

0

Nivaly androany tolakandro ny voka-panadinana BEPC teto amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. 36,93% ny mpiadina no afaka tamin’ity taona 2019 ity raha 48,81% izany tamin’ny taon-dasa. Saiky nihena avokoa ny taha-pahafahana tamin’ity taona 2019 ity amin’ireo CISCO manerana ny Nosy raha ny fanadihadiana natao.