Vokatra biolojika Malagasy : manomboka tazana any amin’ny tsena any ivelany

0

Sehatra iray efa miroborobo eto amintsika ny fambolena biolojika. Efa manomboka tazana eny amin’ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ireo vokatra biolojika avy aty Madagasikara ankehitriny. Hisy ny hetsika hampahafantarana misy misy kokoa ny vokatra biolojika karakarain’ny minsiteran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono ny faha-28 ka hatramin’ny faha-30 novambra ho avy izao etsy amin’ny Village Voara.