Volamena : tsy mbola voafaritra mazava ny daty hiverenan’ny fanondranana amin’ny laoniny

0

Tsy mbola fantatra mazava ny fotoana handehanan’ny fanondranana volamena amin’ny laoniny araka ny fantatra nandritra ny valan-dresaka nataon’ny minisitra tomponandraikitra androany. Maro ny teboka mbola andrasana ny fametrahana azy ankehitriny saingy tsy azo hatao ambanin-javatra ny momba ireo hifehezana ny fanondranana an-tsokosoko.