Zandarimariam-pirenena : sokatra miisa 79 saika haondrana sy rongony 2 kilao no tratra

0

Jiolahy iray nitondra sokatra ahiana ho lany tamingana miisa 79, ary nikasa hanondrana izany any ivelany  no tra-tehaky ny mpitandro filaminana  teo amin’ny garan’Ampasapito omaly tokony  tamin’ny 07 ora hariva. Ankoatra io, nisy ihany koa ny fahatratraran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena mpaninjara  rongony 6 mirahalahy.