Zotra D : nihatra nanomboka androany ny fampiakarana ny saran-dalana

0

Nihatra nanomboka omaly Alarobia faha-31 octobra, araka ny efa voalaza ny fampiharana ny saran-dalàna amin’ny Zotra D eto Antananarivo renivohitra. 600 Ariary ny Ivato – Antananarivo ary 800 Ariary ny Anosiala – Antananarivo. Fampiatoana amin’ny asa mandritra ny 15 andro ary esorina aminy ny fahazoan-dalana hamily ho an’ireo izay tratra mihodina an-dalana.