Zotra miisa 3 no hampitohy an’ i Talatamaty , Amoronankona By Pass, izay mihazo ny Rocade d’Ivato Tsarasaotra sy Rocade D’Iarivo. Fiara vaovao manaraka ny teknolojia no hiasa amin’izany ary ny système billetique no hampiasaina raha ny fanazavana. Ny faran’ny volana Jolay izao no hanomboka ny fitrandrahana ny zotra mampitohy an’I Talatamaty amin’Ankorondrano. Fiara miisa 5 no hitrandraka izany.