Archives mensuelles: mai 2022

Antenimierampirenena : tsy mbola tonga eny an-toerana ny LFR

0
Tsy mbola tonga eny anivon’ny Antenimierampirenena mandraka androany ilay volavolan-dalàna mahakasika ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana ho an’ny taona 2022. Eo ampiandrasana izany ireo Solombavambahoaka eny Tsimbazaza mba ahafahana mandinika araka ny tokony ho izy ny voasotra ao anatin’izany raha ny fanazavana.

Mpianatra Ankatso : manome 72 ora ny fanjakana hamahana ny olana misy

0
Nanome 72 ora ny fanjakana hamahana ny olana misy izay mampikatso ny fampianarana ireo mpianatra eny anivon’ny oniversite an’Antananarivo araka ny fanambarana izay nataon’izi ireo androany teny Ankatso. Ankilany, Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ireo Mpampianatra mpikaroka izay mivondrona eo anivon’ny SECES amin’izao fotoana izao araka ny tapak’izy ireo nandritra ny fivoriana androany.

Covid-19 : mitombo indray ny tranga, indrindra eto amin’ny Faritra Analamanga

0
Miha-mitombo indray ny trangana Covid-19 araka ny tatitra farany navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Eto amin’ny Faritra Analamanga no ambony indrindra ny tarehimarika, eo anatrehan’izany, goragora ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana.

Antoko MMM : manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka Malagasy

0
Manala ny fahasahiranan’ireo mponina ny fanaovana ny didipoitra faobe ataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga amin’izao fiandohan’ny ririnina izao. Tsy misy fanavahana politika fa afaka hanaovan’ny antoko MMM izany avokoa ny kaominina na tsy lany tamin’ny anaran’ny antokony ary ny ben’ny tanana, izany no tanberina andraikitra ataon’ny antoko amin’ny vahoaka malagasy rehetra. Andraony miisa 75 ireo zaza vita didipoitra tao amin’ny distrikan’i Manajakandriana kaominina renivohitry Manajakandriana androany.

Fampiakarana karama: mbola tsy nivoaka ny didy fampiharana iray volana aty aoriana

0
Iray volana taorian’ny fanambarana izay nataon’ny filohan’ny repoblika, mbola tsy nivoka ny didy fampiarana ireo fampiakarana ny karama indrindra ho an’ireo mpiasa tsy miankina. Tokony avoaka aingana io didy fampiarana io raha ny nambaran’ireo sendikan’ny mpiasa mba afahina misitraka ny fanondrotana ireo karama amin’izao fotoana.

Jirama : tsy hanasonia fifanarahana amin’ireo mpamatsy heniratra mampiasa 100% ny thermique intsony

0
Tsy hanasonia fifanarahana amin’ireo mpamatsy heniratra mampiasa 100% ny thermique intsony ny orinasa Jirama. Manomboka izao, ireo izay orinasa mpamokatra herinaratra hybride ihany sisa no afaka hiara-hiasa amin’ity orinasam-panjakana ity amin’ny famatsiana herinaratra.

Kilasim-panadinana : anatin’ny famerenana farany ireo sekoly ankehitriny

0
Hanatin’ny famerenana farany amin’izao fotoana izao ny sekoly ho fiatrehana ireo fanadinam-panjakana. Ireo mpianatra izay hiatrika izay amin’ity taom-pianarana ity izay niharan’ny fihatoana lavareny noho ny Covid-19 ka mamimafy ny fiatrehana izany na ho azy ireo na ho an’ny mpampianatra.

Orinasa mpanao lalana : misy orinasa 50 hafa hisitraka ny volany

0
« Avoahy ny volanay » hoy ireo orinasa mpanao lalana izay niverina nanao hetsika fitakiana teny Antaninarenina androany. Antony, nahare feo izy ireo fa hisy orinasa 50 hafa indray hisitraka ny volany, izay mbola tsy fantatra mazava hatreto ny anaran’ireo orinasa sy ny fepetra notakiana hahafahan’ireo orinasa 50 ireo misitraka ny volany. Tsy tokony hisy fanavahana hoy izy ireo ny fandoavana ny vola indrindra taorian’ny Audit izay natao.

Fetin’ny Reny : maro ny fianakaviana nanamarika izany tamin’ny alalan’ny fanaovana sakafo miavaka

0
Saika tamin’ny alalan’ny fanaovana sakafo miavaka sy ny fiarahan’ny fianakaviana no nanamarika ny fetin’ny Reny androany. Fialana amin’ny rotoroton’ny andavan’andro, fizarana hafaliana ary fanolorana fanomezana ho an’ny Neny no tena nampiavaka ny andro androany ho an’ny maro

Fakana an-keriny raim-pianakaviana: nivoaka ny fonja sahady ireo olon-dratsy

0
Raim-pianakaviana 71 taona monina ao amin’ny kaominina Morarano Ambatondrazaka no tratran’ny fankana an-keriny nandritra ny 12 andro tamin’ny faran’ny taona 2021. Amin’izao fotoana izao, efa tafavoaka ny fonja sahady ireo olon-dratsy raha ny fanazavana ka mampiahiahy ireo fianakaviana izay niaran-doza ankehitriny .