vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 mai 2022

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : 9 ireo EPP nahazo ny laharana voalohany

0
EPP miisa 9 teo amin’ny faritra Analamanga ny nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana izany natao amin’ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo eny amin’izao sekoly. Hitohy ihany koa ny fanofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly amin’ny lafony fahadiovana.

Vidin-tsiramamy : tsy maintsy hiakatra atsy ho atsy

0
Ahiana ny fiakarana eo amin’ny vidin’ny siramamy atsy ho atsy raha toa ka manapa-kevitra ny ametra ny fanodranana siramamay ireo firenena mpamokatra toy ny Inde. Hisy fiatraikany amin’ny lafony ara-ekonomika eto an-toerana ny fanapahan-kevitr’ireo firenena mpamokatra siramamy raha tsy mandray fepetra entitra ny fanjakana amin’ny famerana ireo vidy sy ny famelomana ireo oronasa eto an-toerana raha ny fanazavan’ireo mpahay toekarena.

SECES Antananarivo: mitaky ny zo sy ny hasiny ireo mpampianatra

0
Nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny fapianara abony sy ny fikarohana ara-tsiansa notarihan’ny Ramatoa minisitra sy ny teo anivon’ny SECES manerana ny Nosy omaly izay nahatogavana solontena mba ahafahana miroso hatrany amin’ny fikaroham-bahaolanan’ireo mpampianatra mpikaroka. Manambana ny hanatanteraka fitokonana hatrany izy ireo raha tsy misy ny ahaolana hampiharina mikasika izay.

MBOLA RAJAONAH : nitohy androany ny fitsarana azy teny amin’ny PAC

0
Nitohy androany, raha toa ka efa nanomboka omaly ny fitsarana an’i Mbola RAJAONAH teny anivon’ny PAC na ny Pole anti-corruption telo taona aty aorian’ny nisamborana azy. Anton’ny fanenjehana azy ny fanaovana kolikoly, ny fampidirana entana antsokosoko tao amin’ny fadintseranana, sy ny tsy fandohavan-ketra. Andrasana hatreto ny vokam-pitsarana mikasika ity raharaha Mbola RAJAONAH ity.

AU PAIR : tsy asa, fa fianarana ho fampitomboana ny traikefa ho an’ny teny ho an’ireo mpianatra

0
Tsy mitombona ny fanasokajiana ny AuPair ho asa araka ny fanambarana navokan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny raha ny nambaran’ireo mpianatra Malagasy AuPair. Miantso ny tomponandraikitra hamerina handinika ny fepetra noraisina, ahafahany mivoaka an’i Madagasikara ireo mpianatra Au Pair.

Antenimierampirenena : rava maina ny fivoriana momba ny findaganan’ny vidin’ny PPN

0
Nirava maina ilay fivorian’ny kaomisiona manoka izay napetraka hisahana ny fanadihadiana mahakasika ny fidangan’ny PPN izay saika notonotsaina androany teny amin’ny lapan’Antenimierampirenena. Noho ny tsy fahatongavan’ireo Solombavambahoaka mpikambana ao anatin’ny kaomisiona tsy tontosa izany araka ny fanazavan’ny filohan’ity kaomisiona ity.

PASEM : mangataka ny hanatanterahana fikaonandoham-pirenena ho an’ny fampianarana

0
Mangataka ny hanatanterahina fikaonandoham-pirenena mikasika ny fanabeazana ankehitriny ny PASEM na vondron’ireo fikambanana sy syndicatn’ny mpampianatra eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Anton’izany ny fijerena paik’ady ahafahana mamaha ireo olan’ny fampianarana mianjady amin’ireo mpampianatra. Eo koa ny mikasika ny ho solon’ny PSE na ny plan sectorielle de l’éducation izay ho tapitra ny taona 2023.

MAE : ho fiarovana ny Malagasy no namoahana fepetra amin’ny fivoahana any ivelany

0
Ho fiarovana ny Malagasy no namoahana ireo fepetra takiana amin’ny fivoahana any ivelany hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy izay nitondra fanazavana androany. Raha ny lalàna Malagasy, tafiditra anatin’ny mpiasa ireo « Au pair » noho izy misy contrat mazava, araka ny fanazavana hatrany.

Harena an-kibon’ny tany : an-tapitrisa Dolara maro ny fatiantoka

0
Mikatso ankehitriny ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary vola amina Dolara maro no tsy niditra teto amintsika, hoy ny FOMM na ny Federasion’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Takiana araka izany hoy izy ireo ny hitadiavana vahaolana miaraka amin’ireo teboka maro mapikatso io sehatry ny harena an-kibon’ny tany io. Isan’izany ny fampiharana ny lalàna izay mbola manan-kery eo am-piandrasana ny lalàna vaovao.

Madagasikara : famatsiam-bola lehibe miisa 3 no nosoniavina niaraka tamin’ny BAD

0
Famatsiam-bola miisa telo lehibe no nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny Banky ho an’ny Fampandrosoana nandritra nyfivoriambe faha57n’ny BAD na ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana izay tanterahina any ACCRA renivohitr’i Ghana.