Archives quotidiennes: 24 janvier 2018

Houcine ARFA : mangingina ny eto Madagasikara, mitohy ny vaovao any ivelany

0
Raha toa ka mangina sy ezahan'ny fitondrana ampanginina ny raharaha Houcine arfa eto Madagasikara, mitohy ny fampielezana vaovao mikasika izany any ivelany. Nofintinin'ny rfi tamin'ny lahatsoratra lava dia lava ny raharaha Houcine Arfa nanomboka tamin'ny fivoahan'ny firenena malagasy. Andrasana kosa ny tohin'ny fanadihadiana maro nosokafana momba io raharaha io eto Madagasikara raha ny voalazan'i Le parisien.

HCC : mitombo hatrany ny lalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana

0
Misy andinin-dalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana ihany koa ny lalàna momba ny fivoaran’ny indostria eto Madagasikara raha ny fanapahankevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Tokony ho lalàna no hifehy ny rafitra manokana ANDI apetrak’io lalàna momba ny indostria io fa tsy fitsipika anatiny. Endrika fanitsahana ny lalampanorenana hafa indray io nataon’ny governemanta io tamin’ny alalan’ny ministeran’ny indostria.