samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 décembre 2019

Cybercriminalité: an-dalana ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana frantsay

0
Ankoatry ny fiarahamiasan'ny Rafitra miady amin’ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera  amin'ny fitsarana sy ireo mpitandron'ny filaminana eto an-toerana. Ho an'ireo mbola minia manao izany saingy tsy monina eto an-tanindrazana, efa an-dalana raha ny fanazavana ny fiaraha-miasa amin'ny fitsarana any ivelany.

Asan’ny mpampivelona : ilàna fitiavana

0
Mahakasika ny lalampiofanana izay tsy maintsy arahina sy ny asan'ny iandreketan'ny mpampiveloa indray no resahana aminao ato anatin’ny zana-pandaharana NY HOAVY eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV. Ny asa'ny mpampivelona izay ilana fitiavana sy fikirizana.

VIH/Sida : latsaky ny 10% ny Malagasy manao fitiliana

0
Latsaky ny folo isan-jaton’ny Malagasy 39 000 heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no manao fitiliana ara-dalàna. Antony tsy hahatratrarana ilay tanjona 90-90-90 napetraky ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ady amin’ny sida hamongorana ity areti-mandoza ity amin’ny taona 2030. Fanampim-panazavana.

Fikirakirana voka-pifidianana : efa mamarana ny eo anivon’ny CENI

0
Androany no tapitra ny 5 andro hikirakiran'ny SRMV ny voka-pifidianana kaominaly, efa tonga eny anivon'ny CENI Alarobia avokoa ny ankamaroan'ireo PV ankehitriny, andrasana anio alina kosa ny ambiny rehetra. Kandidà iray ihany hatreto no nangataka ny fampitahana ny vokatra, raha ny fanazavan'ny CENI androany.