samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 décembre 2019

Akoho amam-borona : fotoana izao hividianana azy

0
Andro vitsy tsy hahatongavan’ny fetin’ny noely, efa manomboka tazana eny an-tsena avokoa ireo entam-barotra manamarika ny fankalazana izany. Anisan’ny tsy afa-miala amin’izany ny akoho amam-borona. Fotoana fividianana azy ireo izao raha ny nambaran’ireo mpivarotra.

Distrikan’Isandra : isan’ny hahazo ny EPP manarapenitra

0
Isan’ny hahazo ny EPP Manarapenitra, fampanantenana nataon’ny filohan’ny repoblika amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianaran ateknika ary ny fampiofanana arak’asa ny ao amin’ny distrikan’Isandra. Ny any an-toerana izay mbola misedra olana amin’izao fotoana noho ny fisian’ny asan-dahalo.

Vola taloha : mbola manan-kery hatramin’ny 31 desambra 2019

0
Miteraka fahasahiranana ho an’ny daholo be ny fampiasana ireo vola teo aloha  taorian’ny filazana navoakan’ny Banky Foiben’I Madagasikara fa hatsahatra tsy azo ampiasaina intsony aorian’ny faha-31 desambra 2019 ho avy izao ireo vola teo aloha, manomboka amin’ny 100 Ariary ka hatramin’ny iray alina Ariary, izay natonta tamin’ny taona 2003. Misy amin’ireo mpivarotra no tsy mety mandray azy ireny intsony. Misy mpanjifa ihany koa toy izany.