mercredi 01 mai 2024

Archives quotidiennes: 11 février 2020

Itaosy cité : vola mitentina 5 000 000 Ariary lasan’ny jiolahy

0
Vola mitentina 5 tapitrisa Ariary lasan’ny jiolahy ny hariva teo tao amina cash point iray teny Itaosy cité. Tafaporitsaka ireo jiolahy 2 nanatanteraka ity fanafihana ity, mandeha ny fikarohana tanterahin’ny mpitandro ny filaminana.

Lisi-pifidianana : ambany ny taham-pahavitrihan’ny olona nanamarina anarana

0
Tapitra ny faha 15 ny volana febroary ho avy izao ny fe-potoana fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany . Ambany anefa ny taha-pahavitrihan’ny olona nisoratra anarana sy nanamarina anarana ao anatin’izany lisitra izany.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : tompon-daka ny Filoha Andry Rajoelina

0
Laharam-pahamehana ho ahy ny ady amin’ny anoanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Io no nambaran’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagsikara nandritry ny kabary nataony tany Addis Abeba, nandritry ny fihaonam-be faha-33 ny vondrona Afrikana. Ny paik’ady entin’ny firenena hiadiana amin’izany sy ny finiavana no isany nanomezan’ny filohan’ny BAD na ny Banque Africaine de Développement ny toerana maha tompon-daka amin’ny ady manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo azy.

Raharaha « Député Leva » : nankatoavin’ny HCC ny fangatahan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena

0
Nankatoavin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny antenimieram-pirenena manoloana ny toerana banga eo amin’izay andrim-panjakana izay. Nanambara ny filohan’ny antenimieram-pirenena androany fa mifanaraka tsara amin’ny fitsipika anatin’izy ireo izany. Etsy ankilany, ilaina ny fampiharana ny lalàna tena izy hoy ny filohan’ny AVG .