vendredi 03 mai 2024
Accueil 2020 avril

Archives mensuelles: avril 2020

Fitahirizan-drà : nihena 60 % ny mpanome rà tonga etsy amin’ny CNTS – HJRA

0
Nihena hatramin’ny 60 % ny mpanome rà tonga anivon’ny CENTRE NATIONAL DE TRANSFUSION SANGUINE etsy amin’ny hopitaly HJRA nanomboka hatramin’ny fisian’ny Covid-19, indrindra ny fampiharana ny fihibohana. Nihena vokatr’izay ny paosin-drà azo ampiasaina aorian’ny fitiliana samihafa. Tsy maintsy ferana manoloana io ny paosindrà avoaka ampiasaina amin’ireo marary samihafa eny anivon’ny Hopitaly.

Ady amin’ny Coronavirus : tonga ireo fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana

0
Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny maraina teo ireo fitaovana izay homena ireo mpitsabo mikarakaraka ny mararin’ny Coronavirus eto amintsika avy amin’ny Fondation Jack-Man sy ny avy amin’ny OMS hanampiana ireo fitaovana efa misy eo am-pelatanana.

Equipementier – FMF : tsy misy mahafantatra ilay « Cercle by Ted »

0
Miteraka resabe amin’ny tambazotran-tserasera sy amin’ny mpankafy baolina kitra ny momba ilay « Cercle by Ted », izay voalaza fa isan’ny tsara toerana amin’ny fampitaovana sy ny fampiakanjoana ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra. Marque izay tsy misy mahafantatra na eto an-toerana na any ivelany.

Madagasikara : novatsiana hatrany amin’ny 444,10 Tapitrisa Dolara

0
Manoloana ny fiantraikan’ny valan’aretina Coronavirus eo amin’ny lafiny Toekarena, nanolo-tanana ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka hahafahana manarina izany. Mitotaly 444,10 Tapitrisa Dolara ain’izao fotoana no azon’i Madagasikara.

COVID-19 : nanampy ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ny Vondrona Eropeana

0
Mitohy ny fikojana sy ny fanamboaran-dalana ivelan’ireo faritra 3 manaraka ny fihibohana eto Madagasikara. Ho fitandroana ny fahasalaman’ireo mpiasa manodidina ny 3 000 miandraikitra ny asa, fitaovana hisorohana ny fiparitahan’ny Covid-19 mitentina 161 Tapitrisa Ariary no natolotry ny delegasion’ny Vondrona Eropeana ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.

Mpitando filaminana sy mpivarotra : mihenjan-droa ny tady eny amin’ny Petite vitesse

0
Mitohy hatrany ny fitarainana vokatry ny tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpitandro filaminana sy mpivarotra eny amin’ny Petite vitesse sy Isotry. Ireo mpivarotra mangataka fampitomboana ny ora hahafahan’izy ireo mivarotra. Ireo Polisy kosa hentitra ary tsy miverina amin’ny fepetra efa noraisiny. Mihenjan-droa ny tady.

Paska sy Alatsinain’ny Paska: miisa 92 ireo niditra teny amin’ny HJRA

0
Nihena 50% ny isan’ireo marary niditra teny amin’ny hopitaly joseph ravoahangy andrianavalona ny andron’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2019. Ireo tranga eny amin’ny fiarahamonina na ny accident à responsabilité civile vokatry ny fhibohona no betsaka raha ny antontanisa voaray.

Mpitandro filaminana : manohy ny fanabeazana ny olom-pirenena

0
Manohy ny fanabeazana ny olom-pirenena ho fisorohana ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19 ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Androany naverin-dalana ireo izay tsy manana takom-bava teny Ampasika, mandeha ny tsena ho an’ireo mpivarotra takom-bava manoloana izany.

Famokarana solika maneran-tany : hihena hatramin’ny 10 Tapitrisa barils isan’andro

0
Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus manerantany izay nisy fiantraikany goavana amin’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hihena hatramin’ny 10Tapitrisa barils isan’andro ny famokarana solika manerantany manomboka ny Volana Mai izao . Izay no vokatry ny fifanarahan’ireo firenena mivondrona eo anivon’ny OPEP. Raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena, tsy tokony hisy fiantraikany ao anatin’ny fotoana fohy eto Madagasikara izany.

Orinasa JB : mpiasa « journalier » 1 000 natsahatra amin’ny asany

0
Mitohy hatrany ny fampiatoana mandritra ny fotoana tsy voafaritra ireo mpiasa an-tselika na « journalier » eo anivon’ny orinasa JB Amboditsiry. Manodidina ny 1000 no voakasik’izany anatin’izao fiatrehan’ny firenena ny Covid-19 izao. Velon-taraina manoloana io ireo mpiasa ary mangataka ny fijerena ny momba azy ireo.