samedi 27 avril 2024
Accueil 2020

Archives annuelles: 2020

Fifidianana kaominaly : miisa 24 ireo fifidianana tsy maintsy averina

0
Kaominina 24 no haverina tanteraka ny fifidianana kaominaly araka ny didim-pitsarana navokan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana. Miisa 8 kosa ireo kaominina hanatanteraka ny fifidianana mpanolotsaina noho ny tsy fisian'ny kandidà mpifaninana nandritra ny fifidianana ny 27 Novambra lasa teo. Tsy misy fiovany ankilany ny fikarakarana ny fifidianana raha ny nambarany CENI.

Lalàna VBG : nankatoavin’ny HCC

0
Nankatoavin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny lalàna momban’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy na ny maha vehivavy androany 13 Janoary. Lalàna izay mifototra amin’ny fampitsaharana ny herisetra amin’ny ankapobeny ary tsy misy idiran’ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana.

« Tribunal terrier » : hanafaingana ireo ady tany izay mihisatra eny amin’ny fitsarana

0
Hanafaingana ny fijerena ireo ady tany izay mihisatra eny anivon’ny fitsarana ankehitriny no tanjona lehibe hananganana ny « Tribunal terrier » na ny fitsarana momba ny fananan-tany. Hapetraka ihany koa ny « numérisation des titres fonciers » hanatsara ny fitantanana ny fananan-tany.

PRM Gouvernement

0
Betsaka no vita, nisy ny lesoka, maro ireo asa miandry ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. izay raha fehezina ny nambaran’ny Praiminisitra androany nandritra ny fifampiarahabana tratry ny btaona ho an’ny filohan’ny repoblika mivady teny Iavoloha

PRM Iavoloha

0
Tokony hametraka fitsipi-pifehezana sy ny fitsipi-pitondran-tena ny eo anivon’ny Antenimierampirenena hoy ny filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara nandritra ny fiarahabana tratry ny taona nataon’ireo solombavambaohaka azy sy ny vadiny teny Iavoloha ny maraina teo. Ankoatr’izay, nanamafy ny filoha fa tsy maintsy mandroso araka ny efa nampanantenainy ny vahoaka Malagasy ny firenena.

Rano miakatra

0
Niakatra ary nihoatry ny fahita rehefa avy orana tahaka izao ny rano teto Antananarivo renivohitra. Toerana maro ihany koa no nahitana tany mihotsaka, ka naharatrana sy namoizana ain’olona vokatr’izany. Ny teny Nanisana ohatra, olona 2 no namoy ny ainy nianjeran’ny tamboho.

Réaction solombavambahoaka

0
Tsy mifanohitra amin’ny lalam-panorenana araka ny feo aely etsy sy eroa ny fiarahabana tratry ny taona nataon’ireo solombavambahoaka ny filohan’ny repoblika sy ny vadiny teny Iavoloha ny maraina teo. Naneho ny heviny mahakasika izany ireo solombavambahoaka sendra ny mpanao gazety.

Fifidianana ben’ny tanàna : hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny zoma izao ny vokatra

0
Rahampitso no havoaky ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny valim-pitsarana ireo disadisa sy tsy fetezana nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina farany teo ho an’ny faritany 06 eto Madagasikara. Ny zoma ho avy izao kosa no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny eny anivon’ny HCC raha ny lalàna. 

Olana “Panier garni” : misokatra ny fanadihadiana

0
Manoloana ny olana niseho teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta. Nosokafana ny fanadihadiana hahafantarana ny tomponandraikitra voakasik’izany. 

Sandan’ny fanatsarana ny Kianja Barea : mirary raha mitaha amin’ireo kianja maro aty Afrika

0
Manomboka ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Ao anatin’ny 18 volana no hanatanterahana ny asa ka ho vitaina mialohan’ny faha-26 ny volana jona izao ny tapany voalohany. Raha resabe voizina anatiny tambazotran-tserasera ankehitriny ny famatsiam-bolan’ny tetikasa sy ny saran’ny fanamboarana, nanamafy ny mpanolotsaina manokana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika fa mirary raha ampitahaina tamin’ny fananganana kianja tany amin’ireo firenen-kafa no hanaovana ny kianja Barea ary volan’ny fanjakana madio no hanatanterahana ny asa.