vendredi 10 mai 2024
Accueil 2020

Archives annuelles: 2020

RN7 – Anosy hatreny Mandrimena : notanterahana androany ny « réception provisoire »

0
Notanterahana androany ny « réception provisoire » ny lalam-pirenena faha-7 miainga eo Anosy mipaka eny Andranomena. Voahaja ny fenitra sy ny kalitao hoy ireo tomponandraiki-panjakana nanatanteraka izany tamin’ity androany ity.

MMM Faratsiho : manaiky ny hamerenana ny fifidianana raha miseho ny marina

0
Afaka tanterahina ny famerenana ny fifidianana kaominaly any Faratsiho raha mivoaka ny marina hoy ireo solontenan’ny kandida natolotry ny antoko MMM any an-toerana. Mifanohitra amin’ny voasoratra ao anatin’ny “PV” ny fitoriana izay napetrakin’ny kandida laharana faharoa tany an-toerana, hoy izy ireo.

Filoham-pirenena : maro ny asa hatrehina amin’ity taona 2020 ity

0
Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny maraina teo ny fiarabahana tratry ny taona ho an’ny Filoham-pirenena nataon’ireo governora 11 narahan'ny mpikambana teo anivon'ny CENI ary ireo mpikambana teo anivon’ny Akademia Malagasy. Firariantsoa maro sosona no natolotr'izy ireo ny filoham-pirenena amin'ny adidy maro samihafa iandreketany.

AVI

0
Miroso amin'ny fanatanterahana ny asa sy ny vinan'ny filoham-pirenena ireo minisitra amin'izao fotoana izao raha ny nambaran'ny antoko AVI androany, fotoana fanombohan'ny asa iny taona iny raha ny fanazavana hatrany, ny antoko AVI izay hanao ny fihaonambe nasionaly ny 24 janoary izao.

Finances

0
Ho fanokafana ny faritra atsimon’ny Nosy, notanterahina androany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta Malagasy, ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana ary ny Vondrona Eropeana. Vola mitentina 39,2 Tapitrisa Euro no fanomezana azon’i Madagasikara tamin’izany.

MAHTP

0
Nitsidika ny toerana hanaovana andrana amin'ny fampiasana teknika vaovao mahakasika ny fanamboaran-dalana ny ministeran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Tanjona ny hananana karazana teknika maromaro amin'ny fanamboaran-dalàna.

VBG

0
Taorian’ny famoahan’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny lalàna momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, afaka ny ahiahin’ny Malagasy rehetra raha ny fanadihadiana natao. Afaka mitory avokoa izay rehetra iharan’ny herisetra ary tsy maintsy ho voasazy izay nanao herisetra.

Hopitaly Befelatanana : manomboka ny asa fanavaozana

0
Manomboka ny fanavaozana ny Hopitaly Befelatanana amin’izao fotoana izao araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra farany teo. Nanombohana izany ny trano mavo izay efa narodana ary hosoloina trano vaovao antsoina hoe “pavillon 44”.

Ben’ny tanàna vaovao : afaka mandray ny asany avy hatrany

0
Afaka mandray ny asany avy hatrany ireo Ben'ny Tanàna izay voafidy taorian'ny famoahan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana ny voka-pifidianana ofisialy raha ny nambaran'ny mpahay lalàna. Ny famindram-pahefana ara- pitantanana no hirosoana voalohany. Aorian'izay kosa, afaka ny miroso amin’ny fivoriambe voalohany miaraka amin'ny filan-kevitra monisipaly ny ben'ny tanàna.

Faratsiho : tsy ekena ny kolikoly sy ny fampiasana vola

0
Tsy ekena ny kolikoly sy ny fampiasana vola hoy ireo mponina ao Faratsiho manoloana ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato izay nandresen’ny kandida RAMILISON Nomenjanahary. Sarobidy ny safidim-bahoaka ka tsy tokony hahodina ho zavatra hafa.