mercredi 08 mai 2024
Accueil 2020

Archives annuelles: 2020

Ankazomanga : fiara tsy mataho-dalana iray kilan’ny afo

0
Fiara tsy mataho-dalana iray no may kilan’ny afo tetsy Ankazomanga androany tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nitrangan’ny afo raha ny nambaran’ireo nanatri-maso. Minitra maro taorian’ny firehetana no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina sainga efa potiky ny afo avokoa na ny anatiny, na ny ivelan’ilay fiara.

Antenimierampirenena : miroso ny asa eo anivon’ny « Commission de mise en accusation »

0
Antontan-taratasy miisa 3 amin’ireo 12 tonga eo ampelatanan’ireo Solombavambahoaka mandrafitra ny kaomisiona misahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo na ny Commision de mise en accusation no handraisana fankatoavana eo anoloan’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro hatrehina ny 17 novambra izao. Tsy maintsy hovitaina ao anatin’ity fotoam-pivoriana ity ireo antontan-taratasy rehetra raha ny nambaran’ny filohan’ny kaomisionina androany.

Père Pedro : 50 taona nanaovana asa soa teto Madagasikara

0
Feno 50 taona ny nanaovan’i père Pedro asa soa teto Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 25 000 no misitraka ny fanampiana mivantana avy amin’ny Akamasoa ary ankizy manodidina ny 9 000 isa no miditra an-tsekoly. Ny finoana sy ny fitiavana ary ny fiaraha-mientan’ny rehetra no handresena ny fahantrana eto Madagasikara raha ny nambarany.

Import-Export : nisy fiantraikany tamin’ny fanafarana entana ny fanidiana ny sisin-tany

0
Nandritry ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fikatonan’ny sisin-tany, nahitana fiakarany ny saran’ny fandefasana sy fanafarana entana avy any ivelany. Ho an’ireo mpisehatra amin’izany, tsy nisy fiovana firy ny tahan’ny entana alefa nandritra izay fotoana izay.

HCDDED : nampahafantatra ny momba azy ireo tao Farafangana

0
Taorian’ny fifanakalozana narahina adihevitra teto Antananarivo, nitohy tany amin’ny faritra ny fampahafantarana ny momba ny HCDDED sy ny anto-pisiany. Ho fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fiarovana ny Zon’olombelona no tanjona araka ny maha filan-kevitra ambony ho an’ny fiarovana ny Demokrasia sy ny tany tan-dalàna azy ireo.

Manarintsoa : mbola tsy tomombana ny toerana handraisana ireo traboina

0
Roa andro aorian’ny fahamaizana, mbola tsy tomombana ny toerana handraisana ireo taboina ao Manarintsoa Atsinanana. Tsy ampy ny trano lay, tsy mbola misy trano fivoahana sy trano fidiovana ao an-toerana. Tsy ampy ihany koa ireo kojakoja homena ireo traboina noho ny tsy fisian’izany eo anivon’ny BNGRC hoy ny eo anivon’ny Fokontany.  

Kardinaly TSARAHAZANA : tsy marina ny vaovao aely momba ny tenin’i Pape François

0
Tsy marina ny vaovao aely momba ny tenin’i Pape François izay milaza fa mankato ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy hoy ny Kardinaly TSARAHAZANA Désiré nandritra ny fanambarana nataony. Manentana ny tsirairay, indrindra ny mpino katolika araka izany ny Kardinaly samy hanamafy ny finoany manoloana ny fampielezana vaovao tsy marina tahaka izany.

Vidina vy : nahitana fihakarany 30 hatraminy 40 %

0
 Nahitana fihakarany 30 haramin’ny 40% ny vidin’ny Vy amin’izao raha ny fanazavan’ireo mpanambotra fitaovana vita amin’ny vy, ka voatery mampiakatra vidin’entana izy ireo.   Tsy mbola miverina  toy ny  teo aloha ihany koa ireo mpanjifa raha ny fanazavana.

Fifidianana Loholona : 2432 ny mpividy eto Antananarivo araka ny lisitra vonjimaika

0
Manomboka amin’ity herinandro ity no mahazo manamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana vonjimaika ny mpifidy vaventy handatsa-bato mandritra ny fifidianana Loholon’i Madagasikara. Ho an’ny faritanin’Antananarivo, 2432 ny mpifidy vaventy voasoratra anatin’ny lisitra vonjimaika hatreto. Na azo lazaina ho efa milamina aza ny lisitra ho an’Antananarivo, tokony hiroso amin’ny fanamarinana ny anarany eny anivon’ny distrika hatrany ireo mpividy vaventy.

Antoko MMM : nihaona tamin’ireo olom-boafidy ao anatin’ny Atsimondrano

0
Androany no nihaona tamin’ireo olom-boafidy ao anatin’ny distrikan’tsimondrano ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga notronin’ireo kandidà ho loholona avy amin’ity antoko ity. Niompana tamin’ny antony nahatonga azy ireo nirotsaka ho kandidà ho loholona ny fotoana androany ary nentina nanazavana ny tanjona tian’ny antoko apetraka.