dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 février 2021

Ariary : miha mahazo aina hoy ny Governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara

0
Manomboka misy vokatra tsara ny fampiakarana ny sadambola Ariary raha ny fanazavan’ny  Governoran’ny Banky fohiben’i Madagasikara, tamin’ny fampodiana ny  vola azo tamin’ny fanondranana entana . Teo ihany koa ny fametrahana ny vola vahiny nataon’ny banky fohiben’i Madagasikara teo amin’ny  « marché bancaire de devise ».

Fanitarana ny Port Ankify : tsy mbola milamina ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny APMF

0
Tsy mbola milamina ny disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny APMF manoloana ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Ankify Ambanja. Tsy nanaja ny nifanarahana ny tomponandraikitra hoy ireo vahoaka, tsy misy resaka fanonerana ho an’ireo trano arodana. Manoloana izany, tsy manaiky ny hiala ireo mponina manamorina ny seranan-tsambo.

Soanierana Ivongo : vita ny tohadrano hanondraka velaran-tany 50 ha

0
Vita soa aman-tsara ilay toha-drano izay afaka manondraka tanimbary 50ha ao Soanierana Ivongo, hanampy amin’ny fanatsara ny voka-bary any an-toerana ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity.

Kaominina Kianjandrakefina : mihena ny vokatra tantely noho ny fahasimban’ny ala

0
Nihena ny vokatra tantely ao amin’ny faritra Amoron’i Mania vokatry ny fahasimban’ireo tandavan’ala. Manoloana izany, nanao rodobe namboly hazo tao amin’ny Kaominina KIANJANDRAKEFINA ireo vahoaka eny ifotony, niaraka tamin’ny minisiteran’ny tontolo iainana ka hazo miisa 6 400 no voavoly tamin’izany.