Archives quotidiennes: 25 janvier 2022

Toerana fandraisana traboina – Mahamasina : hisy ny rindran-damina momba ny fizarana sakafo

0
Mitaraina ireo traboina raisina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina noho ny fahataran’ny sakafo omena azy ireo. Tsara ny toerana andraisana saingy ny fandaminana no tsy araka ny tokony ho izy raha ny fanazavana. Ny fisian’ireo mpanararaotra no isan’ny antony hoy ny tomponandraikitra.

Reniranon’Ikopa, Sisaony ary i Mamba : mbola mijanona ho loza mihatra na loko mena

0
Tsy mitsahatra miakatra ny reniranon’ny Ikopa, Sisaony ary i Mamba amin’izao, mbola mitazona hatrany ny loza mitatao na loko mena amin’ireo renirano  ireo raha ny tatitra avy amin’ny APIPA hatramin’ny hariva teo. Efa nanomboka omaly no nirosoana ny fanesorana vonjy maika ireo olona  amin’ny toeram-ponenana dibo-drano ka misy  ireo tsy mety miala amin’ny trano noho ny tsy fandriam-pahalemana.

Ankadifotsy : 5 tamin’ireo razana tototry ny tany no efa hita

0
8 ny fantatra fa tototry ny tany nandritra ny fiotsahana Parking iray tetsy Ankadifotsy androany maraina. Hatramin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tamin’ny 2 ora atoandro, 5 ny razana voasikotry ny sampana mpamonjy voina. Mitohy arak’izany ny fikarohana ny ambiny, izay anaty fahasarotana tanteraka noho ny fahavesaran’ny ranotany sy ny vato nianjera tamin’ireo trano tra-doza.

Fefiloha Vaky

0
Vaky ny hariva teo ny fefiloha manelanelana ny Kaominina Soavina sy Ampitatafika, isan’ny nahatonga ny fahavakisana ny tsy fitovian’ny hamafin’ny fefiloha raha ny fanadihadiana natao.

Ambohitrimanjaka : nohamafisina ireo toha-drano

0
Tsy marina ny filazana ny amin’ny fahavakisan’ny toha-dranon’Ampirihika ao amin’ny kaominina Ambotrimanjaka halina raha ny nambaran’ny Ben’ny tanàna  teny an-toerana androany.  Niverina ny fahasimban’ny  vavan’ny barazy  manondraka ny tanimbary ao Ampirihika, nisy manoloana izany ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo fokonolona sy ny tomponandfraikitra ho fanamafisana ny toho-drano manakana ny reniranon’i Sisaony tsy handifitra ireo tanim-bary sy ireo tanàna manodidina.