samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 décembre 2020

CUA : tompon-tsarety 300 nomena fampiofanana

0
Tompon-tsarety 300 avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nomen’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana sy fifamezivezena an-dRenivohitra fampiofanana ny 10 sy 11 Desambra 2020 tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Fampiofanana niompana tamin’ny fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny fivezivezen’ny sarety eny an-dalambe.

Championnat de Madagascar de Golf 2020 : nifarana androany ny fifaninanana

0
Nifaranana androany tetsy amin’ny golf du rova andakana ny fanatanterahina ny championnat de Madagascar de Golf 2020, izay teo amban’ny fiahian’ny federasiona malagasin’ny taranja Golf.  Karl Bertil Akesson no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny série hommes, raha toa ka Hanitra Ratsimbazafy ny nahazo izany teo amin’ny série dames.  Nampiavaka ny  fifaninana tamin’ity taona ity ny fahamaroan’ireo mpandray anjara avy amin’ireo faritra samy hafa manerana ny nosy raha ny nambaran’ny mpikarakara.

Ady amin’ny Kere : mila hafainganina ny tetikasa famatsian-drano

0
Ho sarotra ny hamahana ny olan’ny mponina tratry ny kere any Atsimo raha tsy miverina amin’ny laoniny ny rotsak’orana hoy ny solombavambahoakan’i Tsihombe. Vahaolana vonjimaika ihany arak’izany hatreto ny entin’ny fitondram-panjakana raha toa ka tsy voavaha ny olan’ny famatsian-drano. Fianakaviana maro no efa manomboka mitsao-ponenana any an-toerana manoloana izay.

Masonjoany : kolontsaina itambarana amin’ny Nosy manodidina an’I Madagasikara

0
Fanadiovana ny tarehy sy fiarovana azy amin’ny masoandro amin’ny fomba voajanahary ny ampiasain’ny vehivavy avy any amin’ny faritra ny masonjoany. Kolontsaina itambarana amin’ny Nosy Mayotte sy Comores izany raha ny fanazavana.

Vokatra asa tanana : hapetraka ny « plateforme commerciale numérique »

0
Efa andalam-pamaranana ny andrana mahakasika ny fametrahana ny PLATEFORMES COMMERCIALES NUMERIQUES  hanatsarana ny famarotana ny asa tanana eto Madagasikara. Ankoatran’ny famarotana ny vokatra tsy misy mpanelanelana, maro ny tombony azon’ny mpanao asa tanana anatin’ity PLATEFORMES COMMERCIALES NUMERIQUES. Isan’izany ny fitadiavana ny akora fototra.